|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 Ndemahasoa Jean-Louis |
| Singan-teny | 2Ndemahasoa |
| Sokajin-teny | 3 anaran-tsamirery (olona) [Fitanisana] |
| Fanazavàna teny malagasy |
4Jean-Louis Ndemahasoa dia teraka tamin' ny 8 oktobra 1937, tao Tsarahalana Avaratra, Fierenana - Moranga.
5Nianatra tao Fierenana, kanjo tojo an' iny Tabataba, taona 1947 iny, dia nankany an' ala: niery tany mandritra ny roa taona ngarangidina; ka tamin' ny 1949 indray vao nankany Anivorano-Est: nandrato fianarana tao amin-draibeny. 6Avy tao izy no niditra ny Ecole Régionale, Toamasina. 7Nivoaka ny Collège Normal, dia nampianatra amin' ny Sekolim-Pirenena mandraka ankehitriny. 8Nandeha tany Frantsa, nianatra tao Chartres tamin' ny taona 1957 izany. 9Nanomboka nanoratra tamin' ny taona 1954 izy. 10Ny Gazety Vaovao Frantsay-Malagasy (1955) no efa nivoahan' ny sorany. 11Toraka izany koa ny Fampitaha, Hehy, Revue de Madagascar, Dingana, Bulletin de Madagascar. 12Efatra anaka ankehitriny. 13Izy no mitarika ny mpiangaly Vako-dRazana Ny Valoalo.. [2.245] |
| Voambolana | 14 Tantara: olona 15 Haisoratra: mpanoratra |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/11/05 |
|